📅Ho fankalazana ny 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐢𝐚𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 ny 𝟎𝟗 𝐝𝐞𝐬𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔, dia manentana anao handray anjara amin'ny :
📍𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎𝐌𝐄𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐈𝐊𝐎𝐋𝐘
Eo anelanelan'ny 𝟏𝟖 𝐬𝐲 𝟑𝟎 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 ve ianao? Manana hevitra vaovao entina miady amin'ny kolikoly amin'ny alalan'ny nomerika? Natao ho anao ity fifaninanana ity!
📍Olona 1 = tetikasa 1
Atao amin'ny 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐧𝐚 𝐟𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐲
Ny tetikasanao dia tokony ahitana ireto singa fototra ireto :
✅𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 ? Inona marina no votoatin'ny tetikasanao ?
✅𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐙𝐀 ? Iza avy ireo hisitraka sy kendrena amin'ny tetikasa ?
✅𝐍𝐀𝐇𝐎𝐀𝐍𝐀 ? Inona ny olana mifandraika amin'ny kolikoly tianao hovahana ?
✅𝐀𝐇𝐎𝐀𝐍𝐀 ? Inona avy ireo hetsika sy vahaolana nomerika arosonao ?
✅𝐑𝐀𝐇𝐎𝐕𝐈𝐀𝐍𝐀 ? Ahoana ny fandaharam-potoana hanatanterahana ny tetikasa?
✅𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 ? Inona avy ireo fiovana mivaingana tianao ho azo ?
Fomba fandraisana anjara :
📧Manomàna document pdf ianao asiana ny votoatin’ny tetikasanao ary alefaso amin'ny alalan'ny mailaka : Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser. (objet : concours JILCC 2026)
📧Sorato mazava tsara ny anaranao feno sy ny laharana findainao ary ny faritra misy anao
📅Fotoana hanatanterahana ny fifaninanana : ny 𝟏𝟗 𝐍𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝐤𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝟎𝟑 𝐃𝐞𝐬𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔
🏆Ireo tetikasa telo tsara indrindra dia hahazo 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐩𝐚𝐧𝐤𝐚𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚!
💡𝐀𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐌𝐀𝐍𝐎𝐕𝐀 𝐙𝐀𝐕𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀𝐎 !